Tapitra izay ny fe-potoana niresahana Praiminisitra, dila ny fe-potoana. Andrasana ny ho fivoakan’ny mpikambana mandrafitra ny governemanta. Hatreto, tsy misy mipika izay fikononkononana mahakasika izay any ambadika any. Toa mangina tanteraka ny fanoloana ny mpikambana, izay tena ilaina maika sy tokony ho hamehana tokoa.
Raha manjohy akaiky ny hodidina misy amin’izao fotoana izao, hita fa maika ny fametrahana ny rafitra mpanatanteraka. Tsy ampy ny fandehanan’ny filohan’ny Repoblika irery. Tokony ho roa mifampiankina hatrany ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Ny lalàmpanorenana rahateo manamafy an’izay. Tsy tokony hivaona amin’izay voasoratra.
Sasa-miandry ny mpanara-baovao satria mifamahofaho ny fampitana hafatra sy ny baiko ho an’ny mpiasam-bahoaka indrindra indrindra. Mifanjana sy mifanilika andraikitra ary tena tsy mifanaja intsony ny any anaty birao. Biby tsy manan-doha tokoa angaha ka tsy mandeha. Mampalahelo ilay toe-tsaina. Mikatso ankolaka ny zava-drehetra.
Ilay vahoaka tsimandadiharona no mahita faisana amin’ny afitsoky ny mpanao politika. Mampitarazoka ny raharaha ny ady sisika miafina anaty ady varotra. Lany andro amin’ny ady seza ny ankamaroany. Tsy manaiky ho baikoin’ny filan’ny vahoaka. Mifarombaka ny haka seza na ireo noheverina fa misy etika aza.
Manahirana ny famakafakana ilay toe-draharaha. Tsy hita be ihany ny marina ho raisina. Misy ireo tena mitolona, mihevitra ny mpitondra fanovana, ho mpanadio ny tanàna. Indrisy, maro anisa anefa ny mpanao kitoatoa, misarintsarim-pitolomana. Misarongotra etsy sy eroa, mitady ny sitrany ahay: vola, voninahitra, fahefana.
Miandry, miandry lava, miandry foana ny vahoaka madinika. Tsy mety fay ny mpilalao politika, izay anefa no efa mampitroatra ireto tanora, liam-pivoarana sy te hanova tantara ireo.
r.r




