Tanterahina any Lima, Pérou, nanomboka ny 5 oktobra teo, ary haharitra hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Judo, ho an’ny sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena, dia i Nathanael Cressonnier, sokajy latsaky ny 81 kg. Judokas afrikanina 19, avy amin’ny firenena 6, no hifaninana.
Hotontosaina eto Antananarivo, ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy. Ny 18 oktobra no fara-fandraisana anarana ho an’izay handray anjara amin’izany. Etsy ankilany, hotanterahina any Fianarantsoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara,sokajy 2D, lahy sy vavy ary ny Vétérans, ny 22 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao.
Manatanteraka fiarahana mikotrana isa-maraina ny Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Karate, sokajy Cadets, Junior ary Senior. Ireo karatékas mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka maneran-tany hatao amin’ity taona ity no miaraka manatanteraka izao kotrana sy fanazaran-tena izao, ho fanamafisana ny tanjaka.




