Aretina Alzheimer: Mitondra fikoron­ta­nana ny fitaizana marary

Anisan’ny toerana fitaizana ireo olona tratry ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody etsy Mahazoarivo. Nanazava izy ireo fa miteraka fikorontanana ho an’ny manodidina ny fikarakarana marary noho ny antony maro. Eo amin’ny ara-pihavanana, sarotra ny fifanajan’ny havana ny marary rehefa tsy hainy ny tokony hitondrana ny fikarakarana. Mitsara vilana ny fiarahamonina, manesoeso, manilika, ary mandrabiraby ny marary. Tsy afaka ny hahatakatra ny fahasahiranana manoloana ny tranga misy. Voatery mitsahatra amin’ny asany ny marary sy ny mpikarakara akaiky indrindra azy, toy ny vady, zanaka, mpiray tampo, … Mampihena ny fivelomana ary misy fiantraikany amin’ny ankohonana na ny fianakaviana manontolo izany. Sady mamizam-batana no mamizan-tsaina ny mpitaiza ny fikarakarana azy ireny. Matetika dia ny fahasalaman’ny mpikarakara indray no marefo no ho ny an’ny mararin’ny Alzheimer, noho ny fikorontanana maro. Anisan’ny antom-pijoroan’ny fikambananana Masoandro mody, izay manolotra sehatra mampiaty handraisana ireo marary mandritra ny tontolo andro, ireo fahasahiranana voalaza ireo.

Tatiana A

Partager sur: