Mahatsiaro manana adidy ny vondron’ny vehivavy mpitarika manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Fandriampahalemana sy fifampiresahana no mila atao hisian’ny vahaolana mahomby, raha ny hevitr’izy ireo.
Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ary ny fandraisan’ anjara ara-politika, ara-tsosialy, ary ara-toekarena ho an’ny vehivavy, ity fikambanana ity.
Ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny lalàna velona ary ny soatoavina malagasy dia ny fihavanana no hitadiavana ny vahaolana.
Amin’ny maha reny, rahavavy, anabavy, vady, mpanorina ny fandriampahalemana, mpitarika amin’ny fampandrosoana mpanelanelana, manao antso avo ho an’ny tanora malagasy ny amin’ny fanohizana ny fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena amin’ny fomba tsy manome vahana ny herisetra izy ireo.
Ho an’ny mpitondra sy ny manampahefana kosa, tokony hisy ny sehatra ifanakalozana sy ifampihainoana ary fandraisan’andraikitra lavitry ny herisetra.
Maneho fahavononana handray anjara feno miaraka amin’ny ankolafy isan-tokony mba handrenesana ny feon’ny vehivavy ny fikambanana.
Vonona ny handray anjara amin’ireo dingana samihafa hamahana olana sy ho fampihavanana mba hiaina ao anaty hoavy mamiratra ny taranaka izy ireo.
Tatiana A




