Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fiofanana “Fijery Hafa” ao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa. Maro ireo mpiofana mandray anjara amin’ity andiany ity, mifantoka amin’ny lohahevitra fahaiza-mitarika, fananganana orinasa, fampivoarana ny tena ary ny informatika. Nisongadina nandritra ny fiofanana momba ny fananganana orinasa ny fandraisana anjaran’i Nelson, olona manana fahasembanana ara-pahitana (jamba), izay nankasitraka ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, noho ny fanofanana tsy manavakavaka sy misokatra ho an’ny rehetra.
90% ny asa fanarenana ny tetezana ao Tetezandava, distrikan’i Betafo, lalam-pirenana faha-34, no efa vita. Noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, asa fanarenana tanteraka ny tetezana no natao ary nasiam-panatsarana mba hateza. Ny orinasa Fanambinantsoa no manatanteraka ny asa. Vinavinaina hisokatra ho an’ny mpampiasa lalana rehetra ity tetezana ity afaka iray volana, araka ny fantatra nandritra ny fidinana ifotony notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Hanamorana ny fifamoivoizana ao Vakinankaratra, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny RN34 ny fahavitan’io tetezana io.
Volana natokana iadiana amin’ny homamiadan’ny nono ity volana ity. Maro ny fanentanana fa ny tanjona dia ny handrisika ny vehivavy hitily mialoha ny homamiadana. Ankoatra ny fitsapana ny nono isam-bolana tsy tapaka, misy koa ny fitiliana, échographie mammaire sy ny mammographie, samy andoavana sarany avokoa, ankoatra ny hetsika fitarafana maimaimpoana karakarain’ny ONG samihafa.




