Fihetsiketsehana sy fitakiana lavareny : Mahazo vahana ny gaboraraka

Efa ahitana tanora maro manao fihetsiketsehana sy fitokonana manerana ny Nosy. Anisan’­izany ny any Toa­masina.  Amin’ny an­­kapobeny, ma­hatonga karazana ga­boraraka isan-karazany izany, ra­ha ny zava-misy.

Mbola milamina sy tsy ahitana fitokonana ny any amin’ny disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana hatrany Vavatenina. Amin’ny ankapobeny, lasa matahotra hankany Toamasina ny mponina any an-toerana noho ny fitokonana misy any amin’ireo distrika ireo, raha ny fanadihadiana natao hatrany. « Sahi­rana ny vahoaka tsy mandadiharona an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra ka samy milaza ny tokony hanatsaharana ny hetsika », hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana ta­min’iny lalam-pirenena fahadimy iny. Nambaran’izy ireo fa mitondra fikorontanan-tsaina sy fahasimban’ny fiharian’ny tsirairay izany.
Ho an’ny lalam-pirenena fahadimy sy 22 A, lasa gaboraraka ny fitaterana amin’ny taksiborosy amin’ny fanaovana taingimbe sy fampiakarana ny saran-dalana. Lasa mahay vava mihitsy ireo mpamily eo anatrehan’ny mpandeha. An­koatra izay, lasa sahiran-tsaina ny tantsaha hitondra vokatra miakatra sy hamonjy fodiana aorian’ny fahalafosan’ny entana tao an-tsenan’ i Toamasina.

Lasa miakatra ny saran-dalana
Nahitana fiakarany ny saran-dalana any an-toerana, raha ny fanadihadiana natao. Lasa tafakatra hatrany amin’ny 20 000 hatramin’ny 25 000 Ariary ny saran-dalana Toa­ma­sina mankany Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Raha toa ka 18 000 Ariary izany teo aloha, tsy nisian’ny fitokonana. Maha­tratra 10 000 hatramin’ny 20 000 Ariary ny saran-dalan’ny entana anaty kitapo na gony iray, izay milanja 50 kilao, raha hatreo Toamasina. Efa tafakatra hatramin’ ny 25 000 hatramin’ny 30 000 Ariary kosa ny saran-dalan’ny entana raha any Toamasina hatrany Vava­tenina. « Noho ny fisian’ny fitokononana, lasa samy manao izay tiany hatao ny mpamily rehetra”, hoy hatrany ireo olona nanontaniana.

Mihasimba ny lalam-pirenena fahadimy

Ankoatra izay, mihasimba ary tsy mety tafarina intsony ny lalam-pirenena fahadimy hatramin’izao. Betsaka ireo fiara simba eny an-dalana. Misy ihany koa ireo fiara tsy tonga any amin’ny toerana aleha intsony ka afindra fiara hafa ny mpandeha. « Noho ny fahasimbana matetika mitranga eo amin’ny fiara no antony mahatonga ny mpamily sasany manao taingimbe sy hampiakarany ny saran-dalana», hoy ny mpamily nanontaniana. Fotoana fanararaotana izao satria sahirana any amin’ny fitokonana ny polisy sy ny zandary. Vokany, malalaka ny lalana satria vitsy ny polisy miasa.

Tsy fandriampahalemana

Etsy ankilany, maro ny tokantrano mitaraina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, indrindra amin’izao fotoana isian’ny fihetsiketsehana manerana ny Nosy izao. Anisan’ny mirongatra ny vaky trano satria variana mandrava ny hetsiky ny mpitolona ny mpitandro filaminana. Ma­nomboka amin’ny 11 ora atoandro hatramin’ny 6 ora hariva ny hetsika, afa-tsy ny alahady ihany. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin’ny fandefasana ny zanany any an-tsekoly. Takin’ny rafi-piarahamonina maro, noho izany, ny hampitsaharana ny fitakiana, mba hirosoana amin’ny fifampiresahana sy fitoniana ho an’ny rehetra.

Midina ny vidim-bokatry ny tantsaha

Misy fiantraikany amin’ny vidim-bokatry ny tantsaha ihany koa ny fitakiana sy fitokonana lavareny misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny vokatra lavanila satria manodidina ny 1 500 hatramin’ny 2 000 Ariary ny kilao ho an’ny lavanila maitso, amin’izao fotoana. Raha toa ka 25 000 hatramin’ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny jirofo tany am-piandohana. Efa nilatsaka hatramin’ny 12 000 – 15 000 Ariary ny kilao, taorian’ny 25 septambra lasa teo.
Ankoatra izay, nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny legioma. Na tonga any ifotony na tsia ny fiara mpitatitra entana avy aty Antananarivo sy Antsirabe. Efa tafakatra hatramin’ny 4 000 – 7 000 Ariary ny kilaon’ny ovy, amin’ izao fotoana izao. Raha toa ka 3 000 ka hatramin’ny 5 000 Ariary izany teo aloha. Niakatra hatramin’ny 25 000 Ariary ny kilaon’ny henan’omby mifangaro, raha 20 000 Ariary izany teo aloha. 30 000 Ariary ny kilaon’ny henan’omby nofony, raha 25 000 Ariary izany fony mbola tsy nisy ny korontana.
Etsy ankilany, voahelingelina ihany koa ny tsenan’ny mpivarotra rehefa tolakandro, noho ny fisian’ny hetsika. Voatery mangorona entana ny mpivarotra satria matahotra. Izany zava-misy izany no antony mahatonga ny fampiakarana ny vidin’entana eny an-tsena. Mahazo vahana, noho izany, ny gaboraraka. Voakasik’izany ny mpanararaotra trangan-javatra miseho amin’ny firenena fa mihatra amin’ny rafi-piarahamonina kosa ny fahasahiranana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: