Filoha Rajoelina Andry : “Hiala aho raha mbola misy delestazy afaka herintaona”

Nafana ny fifanakalozan-kevitra natao teny Iavoloha, omaly. Maro ireo olona nandray fitenenana ary tsy nihafahafa izy ireo naneho hevitra. Afaka taona iray, hiala tsy ho filoha izy raha mbola misy ny delestazy.

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanakalozan-kevitra nasionaly, izay nokarakarain’ny filo­han’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra ny ady hevitra sy ny fandraisam-pitenenan’ny Filo­ha ny resaka jiro sy rano. “Afaka herintaona, raha mbola misy delestazy eto Antanana­rivo, hiala tsy ho filohan’ny Repoblika intsony aho”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Nohamafisiny hatrany fa efa maro ny asa hatao, ani­san’izany ny fanafarana “Groupe 60 MW”, izay tokony ho tonga eto an-tanindrazana afaka roa volana fara-fahatarany. Efa nitsidika ny toerana tany Ampangabe, afakomaly, ny Filoha, izay nizaha sy nanolotra asa natao ho famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Notsiahiviny fa tsy voninahitra na fitiavan-tseza no niverenany teto Madagasikara, fa fitiavana manokana ny tanindrazana mba tsy ho potika sy tsy ho rava. “Matoa aho miverina eto, tsy tiako ho rava i Madagasikara, tsy voninahitra no tadiaviko, fa tsy tiako ho potika ny firenentsika”, hoy hatrany ny Filoha.

Tsy hilatsaka intsony
Ankoatra izay, nilaza ny Filoha fa tsy hilatsaka ho kandidà hofidina ho filoham-pirenena intsony ny tenany, amin’ny taona 2028. Ary mbola mampanantena ny Malagasy izy fa mandritra ity fotoam-piasany ity, tsy hisy delestazy intsony eto Madagasikara, ary hataony izay hampamiratra sy hampisongadina ity firenena ity.
Tsiahivina fa nanatrika ity hetsika ity ny tanora, ny mpianatra eto an-drenivohitra sy
ny tany amin’ny faritra, ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena. Mbola misy moa ny hetsika fifampizarana tahaka izao, eny amin’ny CCI Ivato, hiarahana amin’ny FFKM.

F.R

Partager sur: