Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fidiram-bolan’ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be) ny fahatapahan-dalana maro eto an-dRenivohitra. Mihena ny isan’ny fihodinana vitan’izy ireo ao anatin’iray andro.
Fitaovam-pitaterana misedra olana ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be), nanomboka tamin’ny fisian’ny fihetsiketsehana ataon’ny tanora mpitolona eo anivon’ny Gen Z, raha ny fanadihadiana natao. Olana sedrain’izy ireo ny fahatapahan-dalana maro eto Antananarivo, raha ny nambaran’ireo mpamily nanontaniana. Samy ahitana izany avokoa ny ankamaroan’ ny lalana, toy ny etsy Anosy hihazo Analakely, Ambohijatovo, Ampefiloha, Behoririka, Antanimena, Isotry, Anosibe sy ny maro hafa. Mihena ny halavirana vitan’izy ireo ankehitriny, raha oharina tamin’ny taloha, raha ny fanazavana vaoray hatrany. « Tours » efatra sisa no vitan’ny fiara iray ao anatin’ny iray andro. Roa eo ao anatin’ny tapak’andro maraina, ary toy izay ihany koa ny tapak’andro hariva. Nanomboka tamin’ny fisian’ny hetsiky ny mpitolona niady tamin’ny fahatapahan-drano sy jiro, ny alakamisy 25 septambra 2025 lasa teo izany, ary hatramin’izao. Noho izany, tsy mahafeno ny vola tratrarina ho an’ny tompona fiara foana ny ankamaroan’izy ireo, raha ny fanazavan’ny mpamily hatrany. Mihena 40 000 hatramin’ny 50 000 Ariary izany raha toa ka 80 000 Ariary no enjehina isan’andro. “Efa fantatry ny tompona fiara ny zava-misy ankehitriny, noho izany, manaiky ary tsy mila vaniny izy ireo na tsy feno aza ny versement”, hoy i Rolland, mpamily iray nanontaniana.
Voatery mitady lalan-kafa
« Etsy ankilany, miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny izany, noho ny havitsian’ny lalana azo aleha », hoy hatrany izy ireo. Voatery mitady lalan-kafa handehanana, araka izany, ny fiara ary lasa mihitsoka any anaty fitohanana lavareny. Indrindra ny maraina sy atoandro. Ahitana izany avokoa ny toerana rehetra, toy ny etsy Anosizato, Isotry, 67 Ha, Ankorondrano, Ankadimbahoaka, Isotry sy ny maro hafa. Maharitra ora maro ny fitohanan’ny fiara manodidina ny Renivohitra. Adiny roa hatramin’ny adiny dimy eo izany, rehefa tena lava ny fitohanana. Manomboka amin’ny valo ora maraina, amin’ny 11 hatramin’ny 2 ora atoandro ary amin’ny 4 ora hatramin’ny 7 ora hariva eo no ahitana izany, isan’andro.
Atao mihoatra ny solika
Ankoatra izay, voatery atao betsaka na atao mihoatra ihany koa ny solika ao anaty fiara, mba hisorohana ny lany solika tampoka eny an-dalana. Amin’ ny ankapobeny, mihidy ny ankamaroan’ny tobin-tsolika amin’ireo toerana ahitana fihetsiketsehana. Ohatra amin’ny fiara fitateram-bahoaka voakasik’ireo olana ireo, ny taxi-be 119 mampitohy an’Ankatso sy 67 ha eny amin’ny Havana. Eny amin’ny Mascotte izy ireo dia miverina noho ny fisian’ny lalana tapaka.

Nampiakatra saran-dalana ny fiara sasany
Manararaotra mampiakatra saran-dalana ihany koa ny taxi-be sasany miasa eto Antananarivo, rehefa amin’ny andro hariva. Indrindra ireo mandeha amin’ny toerana ahitana mpanao fihetsiketsehana. Misy ny mampiakatra saran-dalana ho 1 000 Ariary raha toa ka 600 Ariary ny tokony ho izy. Antony mahatonga izany ny fahatapahan-dalana sy ny fitohanana lavareny, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Tsy maintsy mandeha kosa na dia niakatra aza ny saran-dalana satria efa hariva ny andro ary tsy maintsy mody”, hoy ny olon-tsotra nanontaniana. “Antony mahatonga izany ny fisian’ny lalana tapaka, ny fihodinana sy fitadiavana lalan-kafa andehanana. Vokany, lasa manao tapa-dalana izy ireo moa vitsy ihany koa ny mpandeha”, hoy hatrany ireo mpamily nanontaniana.
Miova lalana avokoa ny fiara
Etsy ankilany, misy mihitsy ireo fiara sasany niato na tsy mandeha amin’ny zotra tokony handehanany isan’andro intsony. Anisan’izany ny fiara fitateram-bahoaka zotra 162, izay mihazo an’Anosy sy Analamahitsy. Nofoanana mihitsy ny lalan’ny kaoperativa tokony hihazo an’Anosy fa mandeha any 67 Ha avokoa. Nahitana fihenana ihany koa ny fiara fitateram-bahoaka miasa amin’izao fotoana izao.
Nanatontosa : Mino




