Namoaka ny anaran’ireo mpitsara afrikanina nahomby tamin’ny fiofanana ny eo anivon’ny Fiba Afrika. Malagasy mpitsara telo, ahitana an-dRabemananjara Mbolamena, Son of Man Sunshine Cynthia Anastasie ary Rakotonirina Lantomananarivony Aina Redjany, no afaka tamin’ny fanadinana ka nahazo ny mari-pahaizana Niveau 1. Tsiahivina fa mpitsara efatra no niatrika ny fiofanana ho an’i Madagasikara, natao ny 11 hatramin’ny 14 septambra lasa teo, teto an-toerana, ka ny telo no afaka. Mpitsara 22 (11 lahy sy 10 vavy) avy amin’ny firenena afrikanina 12 (Algérie, Botswana, Cameroun, Égypte, Éthiopie, Gabon, Kenya, République centrafricaine, Rwanda, Tanzanie ary Madagasikara) no niatrika ity fiofanana ity. Ny 10 tamin’ireo no afa-panadinana. Azo lazaina ho nisongadina, araka izany, i Madagasikara, raha oharina amin’ny firenena hafa. Ny manam-pahaizana Kenyanina, i Vitalis Gode, sy Maraokanina, i Samir Abaakil, no nampiofanan ireto mpitsara manerana an’i Afrika ireto.
Mi.Raz




