OJM : Handray fepetra amin’ireo mpisandoka

Mitohy ny fampitandre­man’ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ireo misoloky sy misandoka izany asa izany. Nambaran’ny filohany, i Mo­nica Rasoloarison tetsy Ambohidahy fa anisan’ny fepetra horaisina ny fanesorana ny mari-pamantarana azy ireny «Brassard» sy ireo marika hisandohana fa mpanao gazety. «Tsy azo idiran’olon-kafa ity asa ity ary aza misandoka sy mitonona ho mpanao gazety. Aoka tsy hanonona izany rehefa tsy asanao», hoy izy. Nanterin’ny filohan’ny OJM fa hidina eny an-kianja, indrindra amin’izao fotoana mampamaivay ny fihetsiketsehana izao ny eo anivon’ny Holafitra hanadio ity asa ity ary hanavaka ny vary amin’ny tsiparifary, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, ao ireo milaza fa miasa amin’ny gazety ana habaka «Presse en ligne». Misy lalana anefa izany. Manomboka amin’ny fananganana azy sy ny fananana orinasa. Ny fananana talen’ny fanoratana sy ny zotran’ilay gazety ary manome vaovao, araka ny fotoana hamoahana izany. «Fepetra koa ny tsy maintsy fananana mpikambana iray, farahakeliny eo anivon’ny OJM», hoy izy. Nentaniny ny olom-pirenena fa mijanona ho eo amin’ny toeran’ny mpanao gazety izy ireo ary manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ho amin’ny fampisitrahana ny vaovao. «Mety manana fiandaniana ny tompon’ny orinasan-gazety fa mijanona amin’ny toerany hatrany kosa ny mpanao gazety», hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: