Efa manomboka fantatra ireo mpikatroka handray anjara amin’ny “Muay Thai Tournament 3″ hatao ao amin’ny Arena Toamasina, ny 23 novambra izao. Anisan’ny hifaninana, mandritra izany, eo amin’ny sokajy vehivavy, i Lova, latsaky ny 54 kg, i Eulalie latsaky ny 58 kg ary i Miora, latsaky ny 60 kg.
Hisy ny”prize Money” ho an’izay mandrombaka ny fandresena amin’ny fifaninanana “Challenge Mini-basket” hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 18 sy 19 oktobra izao. Tsiahivina fa rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka ho an’ireo sokajy hifaninana: U12, U14 ary U16. Efa vonona avokoa ireo ekipa handray anjara.
Miantso fanohanana sy fanampiana avy amin’ny malala-tanana ny Malagasy mpikatroka, Razafinjato Rinho. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny ranomasimbe Indianina amin’ny taranja tolona sy grappling mifangaro izy, ny 22 novambra izao, kanefa tsy ampy ny hoenti-manana amin’izany. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 77 kg no misy azy ary vonona ny hanandratra avo an’i Madagasikara izy amin’ity fifaninana hatrehiny ity.




