Rugby sokajy vehivavy – CAN 2025: Mila 7500 euros ho fandraisana anjara

Hiditra an-tsehatra, hiady ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2025) indray ny Makis Ladies. Misedra olana anefa izy ireo satria tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, mitentina 7500 euros. Ankoatra izay, nidera ny fandrosoan’ny rugby sokajy vehivavy eto amintsika ny World Rugby.

Hotanterahina any Kenya, ny 16 sy 17 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona 7. Hiadiana ny tapakila hiatre­hana ny “World Series Chal­len­ger 2026”. Anisan’ireo firenena hiatrika izany ny Makis La­dies. Nambaran-dRakoto­ma­lala Marcel, filohan’ny Ma­la­gasy Rugby, tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, oma­ly, fa hatramin’izao tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, izay mi­tentina 7500 euros. “Tokony ho voaloa amin’ny 15 oktobra izao izany”, hoy izy. Koa mi­antso ny minisitra mitantana vonjimaika ny fanatanjahan­tena sy ny praiminisitra izy hijery akaiky izany, indrindra ny vola niatrehan’ny Makis Ladies ny Can natao teto Ma­dagasikara farany teo.

Nohararaotin-dRakotoma­lala Marcel ihany koa ny fo­toana nanaovana ny tatitra mahakasika ny fivoriamben’ny World Rugby, natrehiny tany Londres, ny faran’ny volana septambra lasa teo. Tamin’ izany no nanambarany fa resy lahatra ny tomponandraikitry ny Federasionina iraisam-pirenena fa mandroso ny baolina lavalava eto Mada­gasi­kara, na ny lalaovin’olona 15 na ny lalaovin’olona 7. Izany no nahazoan’ny Mala­gasy Rugby fanasana manokana. Ankoatra izay, nisy fampisehoana ny rugby malagasy sokajy vehivavy, nataon’ny do­kotera Felana sy i Ando, tom­ponandraikitry ny rugby vehivavy, tany an-toerana. Teo koa ny nanasana an’i Fe­nitra kapitenin’ny Makis Ladies, tamin’ny fanokafana ny “Mon­dial” tao Londres. Araka izany, hanampy ny rugby sokajy vehivavy ny Solidarité olympique. Nampi­risika ny teknisianina izy ireo amin’io lalao hataon’ny Makis ladies any Kenya io. Tsiahi­vina fa efa na­hazo ny tapakila hiatrehana io “World Series Challenger” io ny Makis sokajy lehilahy.

Tompondaka

Partager sur: