Ilay mpilalao basikety fahiny tao amin’ny ekipa frantsay, i Isabelle Yacoubou, no ambasadaoron’ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, tontosaina any Le Caire, Egypte. Fiofanana nanomboka ny 12 oktobra teo ary hifarana ny 15 oktobra izao. Any an-toerana ny Malagasy mpilalao Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina avy amin’ny klioban’ny New Academic’s Sport, miaraka amin’ny mpanazatra malagasy, Ravonimboahangy Eléonore, miatrika ny fiofanana.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny antsapaka sy fivoriana ara-teknika ho an’ny fifaninanana “Challenge Mini-basket 3×3”, karakarain’ny Seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Marobe ny mpandray anjara, izay ahitana ekipa 384 be izao, avy amin’ny sokajy latsaky ny 10 taona, latsaky ny 12 taona, latsaky ny 14 taona ary latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Eny amin’ny Kianja Barea no hanaovana ny fifaninanana, ny 18 sy 19 oktobra izao.
Nanatanteraka fifaninanana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny Federasionina malagasin’ny taranja Badminton, ny faran’ny herinandro teo. Andrasana ny fanambarana mety ho fitohizan’ity fifanintsanana ity amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano.




