Manoloana ny vaovao navoakan’ny Sport News Africa, omaly, izay milaza fa mandalo fanadihadiana eny amin’ny fitsarana ny mpanazatra Barea U17, Randrianarisoa Yvon, noho ny fakana vola tamin’ireo ray aman-dreny mba hanatsofohana azy anaty ekipam-pirenena. Nanamafy ity teknisianina malagasy ity, omaly, fa tsy marina velively ny voalazan’io mpanao gazety any ivelany io. «Fanenjehana sy ny fanasoketana fotsiny ny ataon’izy ireo, raha misy ny porofo dia afaka mampandroso izany izy ireo», hoy Randrianarisoa Yvon, mpanazatra ny Barea zandriny nandritra ny Cosafa U17.
Raha ny nambarany ihany, tsy misy fanadihadiana fitsarana hatao aminy izany amin’izao fotoana izao. Mbola nodisoiny ihany koa moa fa tsy marina ihany koa ilay filazana fa nandray ilay lelavola 12 000 euros ny tenany. «Raha nisy ray aman-dreny nangalako vola mahakasika izany, afaka milaza izany ry zareo fa amiko ny zavatra toy ireny, fanakorontanana sy fanadalana saim-bahoaka fotsiny ihany», hoy hatrany ny Coach Yvon.
Nilaza moa ity mpanazatra ity farany fa tokony ny tombotsoan’ny firenena amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, no jerena fa tsy ny vaovao ratsy sy tsy manana porofo tahaka izao, aely manerana ny tanàna. «Baolina izany fifankatiavana !». Hafatra avy amin’ny Coach Yvon. Andrasana moa ny vaovao mety havoakan’ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra FMF, mahakasika ity raharaha ity, satria ny ekipam-pirenena no voaresaka.
Fitia Randria




