Hotanterahina any Kaomoro, ny 29 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025 izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja beach-volley, fihodinana faharoa. Ekipa malagasy roa no hifaninana amin’izany.
Tsy diso anjara amin’ity “beach-volley zone 7, Round 2” ity i Madagasikara, fifaninanana hatao ao amin’ny torapasik’i Itsandra, Kaomoro. Ekipa roa (lahy sy vavy) no hisolo tena ny Malagasy amin’izany, araka ny fanazavana avy amin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasy, Raoelison Hasimbola Famonjena. Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny fihodinana voalohany avokoa ireto ekipa malagasy handray anjara ireto, izay ahitana an’i Thierry sy i Bertho, eo amin’ny sokajy lehilahy, ary i Andri sy i Mommy kosa no eo amin’ny sokajy vehivavy. Ny volana marsa lasa teo no nanatanterahana io fihodinana voalohany io, tany Maorisy, ka tsy nisy niatrika ny manasa-dalana ny ekipa malagasy tamin’izany, raha hiverenana ny voka-dalao. Tamin’ny taon-dasa kosa, laharana fahatelo no nisy an’i Madagasikara, nandritra ny fihodinana faharoa, tamin’ity fiadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, beach-volley ity.
Amin’ity kosa, firenena 6 no handray anjara, ahitana an’i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayottes, Kaomoro ary i Madagasikara. Hiady tanteraka ny lalao satria efa samy nanana fotoana lava nanomanana avokoa ireo ekipa rehetra hifaninana. Ho an’i Madagasikara, vonona ny hanitsy ny lesoka ireo ekipa roa hisolo tena ny Malagasy ireo, ka haka ny amboara indray no tanjona. Tsiahivina, efa nandrombaka ny anaram-boninahitra tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka ho an’ny faritra faha-4, izay natao teto Madagasikara, teo amin’ny taranja beach-volley, i Madagasikara, ny taona 2024, tamin’ny alalan’i Andri sy i Mommy, sokajy vehivavy.
Mi.Raz




