Nambaran’ny talen’ny Marathon international de Tana (MIT), tamin’ny alalan’ny taratasy fampahafantarana ny herinandro lasa teo fa foana ny andiany faha-20 amin’ity fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka ity. Fihaonana tokony hotanterahina ny sabotsy 18 sy ny alahady 19 oktobra ho avy izao. Nomarihin’ny filazana fa tsy hoe tsy hisy intsony akory ity “Marathon international de Tana ity fa hahemotra amin’ny taona 2026. Noho ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ny antony ary zava-dehibe ho an’ny mpikarakara ny fiantohana ny ain’ny atleta ka izany no antony nandraisana ny fanapahan-kevitra na mavesatra ho an’ny mpikarakara aza, noho ireo zavatra maro efa voaomana. Etsy amin’ny Lapan’ny tanàna mantsy no toerana hanatanterahina izany, saingy iarahan’ny rehetra mahita ny zava-misy eo. Ankoatra izay, na efa nisy aza ireo nampanantena ireo tomponandraikitra fa eo am-pikarakarana ny hamerenana ny vola sarany efa voaloan’ireo atleta izy ireo, amin’izao fotoana izao.
Tompondaka




