Amboditsiry: Nametra-pialana ny sefo fokontany

Tonga teo anoloan’ny bi­raon’ny fokontany Am­boditsiry ny andian’olona vitsivitsy, ny marain’ny talata 14 oktobra 2025 teo. No­takin’izy ireo ny hialan’ny sefo fokontany. Ny tolakandron’iny ihany, fantatra fa nametra-pialana ramatoa Sefo fokon­tany.

Tsy mazava hatreto ny tena antony nialany. Fa misy kosa ny loharanom-baovao milaza fa nisy tokantrano vitsivitsy nahitana entana halatra sy norobaina, tamin’ireny raharaha fandrobana ny alin’ ny 25 septambra ireny. Ka ireo olona ireo no nitarika olon-kafa hanongana azy.

Ny lehiben’ny distrika no manendry ny sefo fokontany hatramin’izao fa tsy fidin’ny fokonolona. Noho ny toe-draharaha, anefa, tsy fantatra ny fanapahan-kevitry ny distrika miahy ny boriborintany faha­dimy. Misy ny fikasana hanao fivoriambem-pokonolona, sain­gy tsy fantatra na hanan-kery na tsia ny fanapahan-kevitra hanoloana izay handimby ny sefo fokontany. Satria, tokony hisy ny hian­toka ny fam­pandehanan-draharaha sy indrindra ny fanaovan-tsonia sy fitomboky ny fokontany. Marihina fa misy ny lefitry ny sefo fokontany Amboditsiry.
Mila jerena akaiky ihany koa ilay raharaha entana halatra voalaza etsy ambony.

Njaka A.

Partager sur: