Hotontosaina ny alahady 19 oktobra izao avokoa ireo lalao rehetra tsy tontosa ny faran’ny herinandro teo, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Seksionina ny Basikety Antananarivo Renivohitra. Lalao manasa-dalana sy famaranana ary fiadian-toerana fahatelo, ny hotanterahina eo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona, lahy sy vavy. Ny famaranana sy fiadian-toerana fahatelo kosa no hatao ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, raha ny fandaharan-dalao. Araka izany, hihaona voalohany amin’ny manasa-dalana, ny ekipan’ny Fandrefiala sy ny JCBA, eo amin’ny manasa-dalana ho an’ny U12, vehivavy, raha toa ka ny ASSM sy ny MB2All no hifandona etsy ankilany. Eo amin’ny sokajy U12, lehilahy kosa, hihaona amin’ny manasa-dalana voalohany, ny ekipan’ny Cosfa sy ny TSBB, raha toa ka ny MB2All sy AKBB kosa no hifandona eo amin’ny manasa-dalana faharoa. Hafana ihany koa ny lalao famaranana ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, ka hifandona eo amin’ny vehivavy, ny ekipan’ny MB2All sy ny Lucadro. Etsy ankilany, hifanandrina eo amin’ny famaranana, sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny AKBB.
Mi.Raz




