Kianja Barea Mahamasina : Mbola baraingo ny fanohizana ny asa

Araka ny zava-misy amin’ izao fotoana, mbola baraingo ny resaka hanohizana ny asa fanavaozana ny kianja Barea Mahamasina. Tsiahivina fa ity kianja ity, tokony ho nanaovan’ ny Caf fitsirihana, tamin’ ny herinandro lasa teo, saingy nahemotra izany noho ny toe-draharaham-pirenena. Tsara ny mampahafantatra fa efa tsy nahazo fankatoavana mihitsy ity kianja iray eto Mada­ga­si­kara ity, nandritra ny taona maro. Araka ny filazan’ireo mpijery sy mpankafy ny Barea, ani­san’ny lesoka tsy nahazoan’ ny ekipa nasionaly vokatra tsara nandritra ny fiadian-toerana “Can 2025” sy ny “Mon­dial 2026” farany teo, ity tsy fisiana kianja ity, ary miteraka fatiantoka ho an’ny Federasio­nina malagasin’ny bao­lina kitra (FMF), satria mivoaka any ivelany foana izy ireo isaky ny mandray lalao. Misy moa ny nametraka fanontaniana hoe: « Oviana ny Malagasy no mba hiaina lalao iraisam-pirenena? ». Ny volana febroary teo moa no nanao fitsirihana farany teo Mahama­sina ny Caf, ary singa iray tamin’ireo sivy nangatahana, toy ny bo­zaka, no tsy nahazoan’io kianja io fankatoavana tamin’ ity resaka fampiantranoana lalao iraisam-pirenena ity, raha toa ka neken’ny Kaon­federasiona afrikanina avokoa ireo valo ambiny. Andrasana moa ny tohin’izany, amin’izao.

Fitia Randria

Partager sur: