Hotanterahina anio 16 oktobra sy rahampitso 17 oktobra ilay seminera lehibe hiarahan’ny manam-pahaizana frantsay, i Anthony Masblanc, nahitana fihemorana indroa. Ao amin’ny Dojo Esca Antanimena, amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 6 ora sy sasany no hanaovana ity seminera ity, raha ny fandaharam-potoana efa napetraka. 10 000 Ariary kosa ny saran’ny fandraisana anjara.
Tonga nitsidika ireo mpilalao manerana an’i Afrika, izay niatrika ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, natao tany Le Caire, Egypte, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, no sady filohan’ny “Commission Développement”, eo anivon’ny Fiba Afrika, Ramaroson Jean Michel. Tontosa ny 12 hatramin’ny 15 oktobra moa ity fiofanana ity ho an’ny sokajy vehivavy ary hanomboka ny 19 oktobra izao kosa ny ho an’ny sokajy lehilahy.
Efa manomboka ary hifarana ny 8 novambra ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo ekipa handray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy Vétérans, lahy sy vavy. Hotanterahina any Fianarantsoa, ny 22 hatramin’ny 29 novambra izao, ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Vétérans, lahy sy vavy, ity. Ny ligin’ny Matsiatra Ambony no tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny fifaninanana sy fandaminana rehetra.




