Diana : Voarara ny fihinanana sy fanjonoana sardine

Namoaka filazana ny Fi­tantanam-paritry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga, faritra Diana. Voalaza fa mikatona ny fotoam-panjonoana ny karazan-trondro sardine. Araka izany, voarara manomboka ny 1 novambra 2025 ho avy izao, hatramin’ny 31 marsa 2026, ny jono, ny fitaterana, ny varotra ary ny fihinanana an’io karazan-trondro io sy maitso voho manerana ny faritra Diana. Antony, fotoana fanatodizan’ity karazan-trondro ity io fe-potoana io, ka tsy maintsy tsinjovina ny hitomboan’ny taranany.

Esorina ny anaty kibo
Ankoatra izany, tsy main­tsy esorina kosa ny anaty kibony, mialoha ny hivarotana azy, ny karazan-trondro Ki­kao (Carangidae), ny Jano (Sphyraenidae), ny Alovo (Serranidae), ny Antafa, ny Zompona (Mugilidae), ny Henjy (Siganidae).
Hamafisina fa voarara tanteraka ny fangalana sy ny fihinanana ny Fano na Soka-dranomasina satria biby arovana sy tandindomin-doza.
Mahavoasazy ny tsy fanajana ireo voalaza ireo ary hampiharana ny lalàna ma­nan-kery.

Njaka A.

Partager sur: