Fotodrafitrasa iray anisan’ny nanaovan’ny fitondram-panjakana fanavaozana ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, etsy Iavoloha. Tsy mitohy intsony ny asa fanavaozana araka ny loharanom-baovao iray. Andrasana, araka izany, na hanohy ny fampivoarana ny kianja ny fanjakana na tsia.
Niatrika ny lalao voalohany ho azy ireo, tao amin’ny klioban’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, ireo Malagasy roa, dia ry Nicolas sy Fenohasina Gilles. Namiratra tanteraka izy ireo teny ambony kianja, saingy tsy nahatafiditra baolina. Tsara ny mampahatsiahy fa nampisongadina azy mirahalahy, ny “Chan 2024” farany teo.
Araka ny fikarohana natao, manomboka liana sy manomana paikady vaovao hakana an’i Endrick, brezilianina mpilalaon’ny Real Madrid FC Espagne, ny Olympique de Marseille (OM). Andrasana ny fitohizan’ity raharaha ity amin’ny volana desambra sy ny janoary ho avy io, izay fe-potoana natao ho fifindrana klioba.




