“ Tsara fa tsy misy dikany!”. Io no teny azo ambara raha nahita ny filaharan’ny Barean’i Madagasikara, izay nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Niakatra ho eo amin’ny faha-106 i Madagasikara, saingy tsy hiatrika Can 2025 no tsy hanao Mondial 2026. Toerana roa no nosongonan’ny Malagasy mpilalao tamin’ity, raha toa ka faha-108 izy ireo teo aloha.
Raha tsiahivina ny lalaon’ny Barea roa farany, nandritra ny fifanintsanana hiadian-toerana hiakarana amin’ny Mondial iny: fandresena 2 no ho 1, teo anatrehan’i Comores, hita fa nampiakatra io laharana io. Tsy nahazoana ny isa ambony tamin’ny Fifa kosa, ny faharesena mavaivay, 4 no ho 1, teo anatrehan’i Mali.
Marihina fa nahazo isa maherin’ny dimy ny ekipa nasionaly malagasy tamin’ity filaharan’ny Fifa vaovao ity. Efa mipetraka anatin’ny satroka faharoa izy ireo, mandritra ny antsapaka ny hahafantarana izay ho mpiray vondrona, ho an’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can 2027. Inoana fa nandray lesona tsara avokoa na ireo mpilalao, na ny mpanazatra, indrindra ny mpitantana ny baolina kitra eto Madagasikara, taorian’ireny vokatra ireny.
F.R




