Muay Thai – “Battle for Africa” : Malagasy roa handray anjara any Maorisy

Hotontosaina anio, any Maorisy, ny fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay Thai. Manana solontena roa i Madagasikara.

Mianadahy, ahitana an’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy no miaro ny voninahi-pirenena mandritra ity fifaninanana matihanina eo ambany fiahian’ny WMC – World Muay Thai Council, tanterahina ao Maorisy ity. Fandraisana an­jara voalohany ho an’i Mada­gasikara eo amin’ny sehatra afrikanina izao atrehan’izy dahy izao, araka ny fanazavana avy amin’ny Tale teknika nasionaly, Razanajatovo Gil­das, izay mpanazatra azy ireo any an-toerana. 4 no mandrafitra ny delegasionina malagasy nihazo an’i Maorisy ka ny filoha Razanajatovo Carine no miatrika ny delegasionina. Hiady ny “ceinture WMC” ireto Malagasy mpikatroka ireto ary hiady ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana kontinentaly. Efa fantatra ihany koa ny mpifanandrina amin’izy ireo, ka ilay teratany Maori­siana, i Jordan Venpin, no hihaona amin’i Jerry Edino. Ilay Afri­kanina tatsimo, i Verne Prin­sloo, kosa no hifandona amin-dRasoanirina Olga. Mpi­ka­troka anisan’ny kalaza sy manana traikefa eto Afrika avokoa ireo mpifanandrina amin’ny Malagasy, ka tena andrasana tanteraka ny ady eo amin’ny roa tonta. Ankoa­tra ny fifaninanana, fanara­raotra hahafahana mampi­seho ny talenta sy fampahafantarana ny Muay Thai ma­lagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ity fotoana ity. Hohampaha­fan­tarin’ireto delegasionina malagasy ireto any an-toerana fa taranja tena tian’ny Malagasy sy hainy ary manana fitsipika mifehy izany taranja Muay Thai izany eto Madagasikara. Misy ihany koa ny fiofanana ho an’ny mpi­tsara izay hatrehin’i Maître Razana­jatovo Larissa (mpi­tsara) sy Raza­najatovo Carine.

Mi.Raz

Partager sur: