Fiharian’ny tantsaha ambanivohitra : Tsara ny vokatra saingy nitontongana ny vidiny

Tsy mitsaha-mi­tombo sy mihatsara ny vokatra avy any ambanivohitra. Mitaraina anefa ny ankamaroan’ny tantsaha fa mitontongona ny vidiny amin’izao.

Miroborobo ny vokatra lavanila sy jirofo eto Madagasikara, saingy mitontongana ny vidiny ankehitriny, noho ny fidinan’ny lanjan’ireo vokatra ireo eto amintsika. Mbola tsy nisy toy izao teto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha amin’ny vo­katra lavanila sy jirofo nanaovana fanadihadiana. Tsara tokoa ny vokatra tamin’ity taona ity, saingy ny vidiny no nihena. Tsy avy amin’ny fitondrana izany, hoy hatrany izy, fa noho ny fihenan’ny sandam-bola sy ny toekarena ankapobeny mihitsy. Araka ny fanazavany, ny vokatra lavanila sy jirofo dia manana tsingerina amin’ny fiakaran’ny vidiny. Mbola antenaina hiverina hiakatra ao anatin’ny taona vitsivitsy izany. Nohamafi­sin’ity mpandraharaha ity fa misy ihany koa ny antony avy amin’ny Malagasy tantsaha manampy amin’ny fihenan’ny vidiny. Anisan’izany ny fanaovana fantsika na vatokely anatina lavanila, ny fitangosana lavanila mbola tsy matoy ka tsy ampy “taux de vanilline” rehefa tonga any ivelany. Amin’ny firenena hafa anefa, hoy izy, dia voakarakara tsara ny vokatra ka tsy misy fisolokiana. « Ho an’ny jirofo indray, mbola misy tsy matoy tanteraka, tsy maina tsara, ary indraindray mbola mando alohan’ny fandanjana, ka mahatonga azy ho simba rehefa tonga any ivelany », hoy Ran­drianatoandro Ferdinand, mpandraharaha amin’ireo sehatra roa ireo.

Fihariana vaovao  ny toaka gasy
Taorian’ny fanekena ny lalàna mifehy ny toaka gasy teo anivon’ny Antenimieram­pirenena, lasa fihariana vaovao ho an’ny mponina ao amin’ny distrikan’i Toamasina II ny fanaovana toaka gasy. Ho an’ireo tsy manana fitaovana manokana na “lambiky”, mivarotra ny akora ilaina amin’izany amin’ireo efa mpanodina. Anisan’ny akora ampiasaina amin’izany ny fary, mangahazo, manga masaka, akondro masaka, letisia ary kokombra. Rehefa masaka na voatono ao anaty vilany vy lehibe ireo akora ireo dia afangaro amin’ny hoditra hazo “bilahy”, izay mangidy sady mafaitra, ka manampy amin’ny famadihana azy ho alikaola ao anatin’ny telo andro monja. Vokatry ny fihenan’ny vidin’ny lavanila sy jirofo, maro amin’ny mponina no nanomboka mamboly sy mamokatra ireo akora fototra amin’ny fanaovana toaka gasy ireo, ho vahaolana ha­nampiana ny fidiram-bola sy hanonerana ny fatiantoka amin’ny vokatra fanondrana. Ankoatra izany, mivelatra ihany koa ny fihariana manodidina, toy ny fambolena ireo akora, ny fitaterana amin’ny lakana manaraka ny reniranon’i Ivondro sy Ivoloina, ary ny fanangonana sy fanadiovana ireo zerikanina. Ao amin’ny kaominina Fanandrana, ohatra, dia efa misy trano fanatobiana atao hoe Ravinala, fitahirizana entana sy toeram-piasana manokana amin’izany. Ny zava-pisotro vokarina avy ao dia manana marika “Ravi­nala”, ary araka ny fanadihadiana dia efa nahazo alalana hivarotra izany vokatra izany eny amin’ny mpaninjara. Voa­laza ihany koa fa tsy mihoatra ny 45° ny tahan’ny alikaola ao aminy.

Niandoha tamin’ny covid-19
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, efa hatramin’ny fotoanan’ny valanaretina Covid-19 no nisian’ny orinasa madinika Ravinala, izay namokatra alikaola 90° niadiana tamin’ny fiparitahan’ny aretina. Nahomby izany ezaka izany ka rehefa nolanian’ny Antenimierampire­ne­na ny lalàna momba ny toaka gasy dia nanohy ny famokarana tsy misy sakana intsony izy ireo. Ankehitriny, mizara roa ny famokarana ao amin’ny “Ravinala”: ny zava-pisotro azo sotroina sy ny alikaola 90° ampiasaina amin’ny sehatra hafa.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: