Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : « Tsy azo ekena ny kolikoly sy ny gaboraraka »

Nitarika ny fananganan-tsaina voalohany teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny ho an’ireo mpiara-miasa.

Hentitra sy nahitsy. Ani­san’ny nasongadiny ta­min’ny lahateniny ny toetra tokony hananan’ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. Anisan’izany ny soatoavina fototra miisa telo. Eo ny fanajana sy ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana. Na­soritsoritany tamin’izany koa ny fomba hitantanana ny raharaham-panjakana. «Hifan­to­han­­tsika tanteraka ny ady amin’ny kolikoly, anisan’ny tena mampahantra ny firenena. Tsy hisy fandeferana ho an’ireo rehetra mbola mitoetra ao anatin’ny fahalovana sy ny gaboraraka», hoy izy. Nan­teriny fa anisan’ny laharam-pahamehana ny famitana ny asa ao anatin’ny mangarahara eo anatrehan’ny vahoaka malagasy.

Fanomezana toerana ireo manam-pahaizana

Nohamafisiny fa anisan’ny lalan-tsaina itondrana fampandrosoana koa ny fanomezana toerana ireo manam-pahaizana. «Afaka hitondra anjara biriky amin’ny fanarenana ny firenena izy ireny », hoy ihany izy. Notsindriny fa anisan’ny foto-kevitra mibaiko ny asa, ny asa, ary ny asa ihany. Aha­zoana manarina haingana ny firenena izany, araka ny nambarany. Tomba­nana fa tsy natao ho an’ireo mpiasa sy tomponandraikitra eny Maha­zoarivo ihany izany hafatra izany fa ho an’ny rehetra koa.
Tsiahivina fa fihaonana voalohany nataon’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herin­tsalamana, tamin’ireo fianakaviamben’ny Primatiora izao, taorian’ny nanendrena azy amin’izany toerana sy andraikitra lehibe sahaniny izany.

Synèse R.

Partager sur: