Lalànan’ny asa: Mampigadra ny fanararaotana any anaty orinasa

Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampanananasa ny fehezan-dalàna mifehy ny asa, laharana 2024-014, andininy faha-358, miresaka ny amin’ny herisetra sy fanararaotana eo amin’ny tontolon’ny asa.

Voalazan’izany lalàna izany fa na iza na iza ao amin’ny toeram-piasana ka meloka noho ny fa­nararaotana ara-tsaina dia sazina an-tranomaizina 3 vo­lana farafahakeliny ka hatramin’ny herintaona. Sazy mi­hatra izany.
Mandoa lamandy 1 000 000 Ar farafahakeliny ny voam­panga ary tafakatra ha­trany amin’ny 4 000 000 Ar izany farafahabetsany.
Miseho eny anivon’ny orinasa, eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, na ny samy mpiasa, ny fanararaotana ara-tsaina, ara-batana…Matetika tsy sahy mijoro ny lasibatra noho ny tahotra sy ny fandrahonana ataon’ny mpanararaotra.
Tsy ny fanararaotana ara-tsaina ihany fa na ny fanararaotana ara-nofo koa dia ma­teti-pitranga ary tena mampitaraina, ny vehivavy indrindra indrindra. Fandrahonana, fandroahana amin’ny asa no setriny raha mitoroka ilay iharan’ny fanararaotana.
Toetra tena mamohehitra miseho eny amin’ny toeram-piasana izany ary ilana fahasahiana ny mitoroka, hamaizana ireo za-dratsy amin’izany toetra izany.

Tatiana A

Partager sur: