“Izaho mbola mamarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanorenana ifotony izao. Araka ny lalàmpanorenana izay.
Voalazan’ny lalàna koa ny fanaovana fanambaram-pananana”. Io ny fanazavan’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny nametrahan’ny governemanta fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, omaly. Napetraka ny lalàna mifehy ny tetibola. Satria misy ny fivorian’ny Antenimierampirenena, tokony ho tapitra tamin’ny 31 oktobra ny fametrahana an’izay. Mbola misy asam-baomiera hanitsiana azy. Mba tsy hisian’ny hoe tsy fanarahana ny lamin’ny lalàmpanorenana ny tolona. Tsy nisy an’izany teo. Tsy fanonganam-panjakana iny, fa hetsi-bahoaka nampian’ny miaramila manam-panahy. Ny sasany niady tamin’ny olona tanam-polo izay nampiasana fitaovana mahery vaika, indrindra mahafaty olona. Tsy ekena izany.
“Miaro ny zon’olombelona hatramin’ny farany aho”, hoy izy. Ao anatin’ny fiarovana ny zon’olombelona koa no hanaovana ny politika ara-toekarena. Tena hanova ny fototry ny toekarena iainana izao. Miandry kely… Mamarana azy izy. Sao vary mohoka no ho voaray. Aleo tena vary masaka no hatolotra. Maninona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola no tonga dia mivoaka? Eo amin’ny sehatry ny toekarena izy, ka efa fantatra izay tokony hatao ary tsy maintsy vonona hatrany amin’izay iainana. Na tiana na tsia, misy ny fitohizan’ny fanjakana. Ny fifandraisana amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena (BM) ary ny Vondrona eoropeanina (UE), ohatra: ao anatin’ny fanatanterahana tetikasa i Madagasikara. Mitondra zava-tsy ampoizina ny fahatapahan’izay.
R. Nd.




