Bianco : “Ity taona ity no nahitana kolikoly be indrindra”

Tao anatin’ny 21 taona niasan’ny Bianco, tamin’ity taona ity no nahitana tranga kolikoly be indrindra. Vola 170 miliara Ar no tratra tao anatin’ ny sivy volana. Izay raha fintinina ny tatitry ny Bianco, notarihin’ny tale jeneralin’ny Bian­co, Razakamanantsoa Gaby Nestor, teny Ambohibao, ta­min’ny faran’ny herinandro teo, momba ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ny amin’izay trangana raharaha kolikoly izay : 6 453 no natolotra ny fitsarana. 425 izany ta­min’ity taona 2025 ity, raha 409 tamin’ny faran’ny volana septambra teo. Izay 409 izay no ambony indrindra, raha ampitahaina amin’ny vokatra azo rehetra taloha. Mahatratra 372 ny trangana kolikoly t­min’ny taon-dasa, 373 tamin’ ny 2023.
Ny fatiantoka mihatra amin’ ny fanjakana ankehitriny : eo amin’ny vola 170 miliara Ar eo ho eo amin’ny kaonty amin’ny banky 45. Misy vola 51 miliara Ar eo ho eo izany ho an’ny taona 2025, izay mahakasika antontan-taratasy 127. Tao anatin’ ireo fatiantoka ireo, nahavita fanagaziana fananana amin’ny kaontim-bolan’olona na ny an’ny orinasa 151 mi­liara Ar ny Bianco. Ao anatin’izay : 572 Ha ny tany, 31 “villa”, 16 ny fiara sy moto, sambo iray. Minisitra, mpiasam-panjakana ambony, mpan­draharaha no voasaringotra amin’ny raharaha koli­koly.
Sanatria, tsy valifaty politika no ataon’ny Bianco, araka ny fanazavan’ny tale jeneraly. Rehefa misy ny fandikan-dalàna sy raha feno ny fepetra hanaovana azy, tsy maintsy miroso… Rehefa tonga ny fotoana, mivoaka ho azy ny zava-drehetra.

R. Nd.

Partager sur: