Lelavola mitentina 5 tapitrisa Ar no nomen’ny Yas Madagascar an-dRamamonjy Nomenjanahary, vehivavy mpitantana ny orinasa Mioty MJ, taorian’ny fifaninanana fandraharahana natokana ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny fandaharanasa “Ampela Online”. Miisa dimy izy ireo no nahazo ny fankasitrahana, hoentina manohana ny tetikasany sy hampidi-bola bebe kokoa amin’ny fihariana ataony. Miompana amin’ny fanodinam-bokatra ho lasa sakafo, toy ny confiture, zava-pisotro, pate de fruit sns, ny orinasa tantanin’i Menja ao amin’ny faritr’i Menabe. Notoloran’ny Yas loka ihany koa i Asmine, manjaitra sy mivarotra akanjo silamo. Toy izay koa i Mampianina, manao « crochet », i Arlette izay misehatra amin’ny fanamboarana « chips banane plantin » avy any Maroantsetra ary i Natacha, mpanao mofomamy. Niaiky izy dimy mirahavavy fa nampivoatra ny velon-tenany ny fanofanana maimaimpoana norantovina ka nahatonga azy ireo sahy sy vonona hanitatra ny fandraharahana ataony, ho matihanina kokoa. « Tetikasa mampiofana malagasy, vehivavy manana asa fivelomana sy te ho lasa matihanina ny tetikasa Ampela Online. Hofanina izy ireo hahafehy ny teknolojia niomerika sy ny varotra anaty tambajotran-tserasera ary ny tontolon’ny fandraharahana», hoy ny tomponandraikitry ny RSE ao amin’ ny Yas Madagascar, Rabefitia Riantsoa.
Henintsoa




