Mahatanty haintany: Ahazoana 700 kg/ha ny karazana apemba vaovao

Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny ka­razana apemba roa vaovao, Mina sy Manana. Valim-pikarohana vitan’ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena (Fofifa). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony (Mesupres), sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ity foibe ity. Eo koa ny foibem-pikarohana maneran-tany momba ny apem­ba, na Global Collabora­tion on Sorghum and Millet (GCSM), ao anatin’ny tetikasa “Apemba”. Mampiavaka an’ireto masomboly roa ireto ny fa­hafahany miatrika ny fiovan’ ny toetr’andro, indrindra ny haintany. Haingam-pitombo nefa tsara ny vokatra. Aha­zoana 700 kilao isaky ny hekitara ny salanisam-bokatra eto Madagasikara, fa tafakatra 2 hatramin’ny 3,5taonina/ha raha tena tsara ny fomba fambolena azy. An-taonany maro ny fotoana nanaovan’ny Fofifa sy ny GCSM ny fikarohana sy fanandramana ara-tsiantifika, toy ny andrana DHS sy Vate.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Fofifa fa ahitam-bokany sy azo antoka ny fikarohan’ny Ma­la­gasy mpikaroka. Mamaly ny filan’ny firenena ny ma­som­boly Mina sy Manana, niarahana ta­min’ireo mpikaroka sy fiaraha-miasa vahiny ma­totra. Hanova sy hitondra fampandrosoana lehibe ho an’ny lalam-pihariana apemba ny fanapariahana ireo masomboly roa vaovao ireo.

Njaka A.

Partager sur: