Mbola mahaliana ny ankamaroan’ny tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona ny sehatrasa momba ny fambolena sy fiompiana, raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Office national de l’emploi et de la formation (Onef). Nivoitra tao anatin’ izany fa nisafidy ny seha-pihariana voalohany avokoa ny 17,9% amin’ireo tanora 307 nanontaniana. 16,5% no liana amin’ny sehatrasa manodidina ny fampianarana sy ny fampiofanana, 15,2% ny fitantanana sampandraharaham-panjakana. 13,7% liana amin’ ny tontolon’ny varotra. 12,2% ny niomerika, noho izy miroborobo fatratra amin’izao, indrindra an-tanàn-dehibe. 9% ka hatramin’ny 10,5% ireo tanora nisafidy ny sehatrasa momba ny fahasalamana sy ny indostria. Mbola latsaky ny 1% kosa ireo tanora liana hiasa amin’ny sehatry ny fizahantany, mpitandro filaminana, ny tontolo iainana ary amin’ny fidirana anaty fikambanana tsy miankina. « Olana tsy ahatraran’ny tanora ny tanjony ny tsy fahampian’ny fiofanana mifanaraka amin’ny filàna sy ny soa fanararaotra isam-paritra », hoy ny tale jeneralin’ny Onef, Rasolonjanahary Ando. Manampy trotraka, hoy izy, ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, ny fahalafosan’ny fianarana, ny tsy fahampian’ny traikefa mifandraika amin’ny sehatrasa tadiavin’izy ireo.
Drafitrasa
Mijanona ho laharam-pahamehan’ny tanora ny fisitrahana karama mba hiantohana ny fiainana. Misongadina ny fahafahana misitraka fiofanana ahafahana mivoatra mankany amin’ny tsaratsara kokoa sy hampandrosoana ny asa atao. Na izany, tokony hanana politikam-pampandrosoana ho an’ny tanora ny fitondram-panjakana, raha ny fanazavana hatrany. Noho izany, hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny fanadihadiana ataon’ny Onef nandritra ny iray volana, tamin’ny tanora manerana ny Nosy.
Henintsoa




