VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny 15 desambra ho avy izao ny fitaterana an-dalamby, « Train urbain ». Tsy hihoatra ny 3 000 Ar ny saran-dalana, mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Tetikasa toha­nan’ny Banky iraisam-pirenena. Notsorin’ny minisitry ny Fitaterana, Raharisone Juste, fa finiavana politika no tsy natao, anisan’ny antony tsy nanokafana an’ity zotra ity hatramin’izay.

Maherin’ny 13 000 taonina ny letisia naondrana any ivelany, niainga tao amin’ny seranan-tsam­bon’i Toamasina. Sambo telo no nitondra izany, ka nankany Eoropa ny roa, ary lasa any Rosia ny iray. Niainga tany Toamasina ny sambo fahatelo farany, nitondra letisia 5 291 t, raha 5 400 taonina ny voalohany. Manodidina ny 1 700 t ny niondrana any Rosia.

Hojerena ny fomba hampandehanana indray ny fitaterana teleferika (TPC). Nohazavain’ny mini­sitry ny Fitaterana, Raharisone Juste, fa volabe nindramina ny nanamboarana an’io, izay tsy maintsy have­rina, na dia diso laharam-pahamehana nataon’ny mpitondra teo aloha aza. Misy ny fifampidinihana amin’i Frantsa sy ireo orinasa nanangana sy mitantana azy, handam­nana ny mahakasika izany.

Partager sur: