VAOVAO TAMBATRA

Haverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana Lakandrano Pangalana. Hojerena amin’ity volana desambra ity ny paikady horaisina hanatanterahana izany, amin’ny alalan’ny hoenti-manana eto an-toe­rana, fa tsy voatery hiantehitra amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Hiahy ny fanatanterahana izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’ andro, hikaroka ny fiaraha-miombon’antoka samihafa azo atao.

Tafapetraka ny faritra natokana hanohanana ny mpitrandraka madinika, « Zone d’encadrement », any amin’ny distrika Betroka sy Bekily. Kaominina
efatra (Beraketa, Bekirobo, Ianabinda, Benato Toby no nanatanterahana izany ny 22-28 novambra teo. Tena hita any an-toerana ny fitrandrahana heladrano na « Mica », mamelona fianakaviana maro. Tanjona ny hampidirana azy ireo anaty sehatra ara-dalàna.

Hisokatra ny antso ho an’ny daholobe firo­tsahana ho tale jeneraly ny ACM, (Antokondraharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara). Efa am-bolana vitsivitsy izao no banga io toerana io. Sampandraharaham-panjakana manan-danja tokoa amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Anisan’ny antony nametraham-pialan’ny tale jeneraly teo aloha ny raharaha fiaramanidina Boeing 777.

Partager sur: