Baolina kitra: Ho avy hanavao ny sata mifehy ny Federasionina ny Fifa

Ho tonga eto an-tanindrazana, amin’io volana janoary io, ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra (Fifa), i Gianni Infantino. Hanavao ny sata mifehy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra ny anton-diany amin’izany.

“Fanavaozana”! Nam­pa­fan­tarina omaly, te­tsy Isoraka, fa raha tsy misy ny fiovana, ho avy eto Ma­dagasikara i Gianni Infan­tino, filohan’ny Fifa, ny volana janoary ho avy io. Nambaran’ ny mpitantana ny Federasioni­na malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, fa anisan’ny anton-dian’ity mpitarika ny baolina kitra maneran-tany ity ny hanova ny sata mifehy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hana­tri­ka ny fanokanana ilay fanavaozana ny ivontoeram-piofanana momba ny taranja baolina kitra etsy Carion koa ny tenany.
“Mety hiova, araka izany, ny fomba hifidianana ireo rafitra rehetra, toy ny seksionina, ny ligy, ary ny federasionina, aorian’izay”, hoy ny filohan’ny FMF. Nambarany ihany koa fa tsy mbola nanova io sata io i Madagasikara, hatramin’izay.
Marihina fa tsy mbola voafaritra mazava ilay fanovana sata. Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao, noho izany, ny amin’ny hoe: “Mety hisy mpifidy vaovao ve rehefa mandeha ny fifidianana an’ireo rafitra izay mampijoro ny federaly malagasy ireo”? Ankoatra izay, nilaza ny FMF, fa nahomby ny fitantanan’izy ireo, noho ireo vokatra tsara azon’ny Barea, izay faharoa tamin’ny Chan, lasa faha-105 amin’ny fi­laharan’ny Fifa, ary afaka ny sazy momba ny fitantanana ara-bola izay napetraky ny Fe­derasionina iraisam-pirenena.

Akademian’ny baolina kitra
Rehefa voatokana ny ivontoeram-piofanana momba ny baolina kitra etsy Carion, ao no hipetraka ireo mpilalao zandriny U-15, izay voafantina tamin’ny tetikasa TDS. Hatao toy ny Akademia mihitsy, izany hoe, sady hilalao baolina izy ireo no handrato fianarana eny an-toerana. Natao hitsinjovana ny hoavin’ny baolina kitra ma­lagasy izany. “Ireo anatin’ny akademia ireo no handray anjara amin’ny Can U17, ho­tontosaina amin’ny taona 2026” hoy hatrany ny Filohan’ ny FMF, Randriamanampisoa Alfred.

Fitia Randria

Partager sur: