Fisandohana sy fisolokiana: Pasitera iray voaheloka higadra  5 taona

Niakatra tetsy amin’ny Fi­tsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, ny alatsinainy 24 novambra teo, ny antotan-taratasin’ady lah. 83-Toa/25. Hanenjehan’ny fitsarana an-dRamilison Jean Emile, pasitera amin’ny fiangonana zandriny iray ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Toamasina izy ity. Anisan’ny loham-piampangana azy ny fihazonana olona an-keriny (séquestration de personne) sy fisandohana andraikitra isan-karazany. Ho an’iry antony voalohany, nijoroan’ireo vehivavy maro vavolombelona ny fihazonan’ilay raim-pianakaviana azy ireo tao an-tranony, hanaovana filan-dratsy sy nampanantenaina vola be sy asa izay asehony amin’ny alalan’ny vavaka ka ilazany fa pasitera izy. Izay tovovavy, tsy maintsy miara-mandry aminy raha te hahita fahasoavana haingana. Ale­fany mody kosa raha ohatra ka olon-dehibe. Noho izany, ny faha-10 ny volana jona 2024, tsikaritr’ireo renim-pianakaviana sy tovovavy maro fa tsy mitombina ny maha pastora azy sy ny fiangonana izay najorony ka nametraka fitoriana teny amin’ny manam-pahefana ireo voakasik’izany fisandohana izany. Raha hiverenana ny raharaha, efa naiditra vonjimaika am-ponja ny 16 jona 2024 ity mpisandoka ho pastora nanararaotra vehivavy mpino tao aminy ity, Niatrika fotoam-pitsarana teo anatrehan’ny sampana misahana ny ady heloka bevava ka nohamafisin’ity farany fa voaheloka asa an-terivozona dimy taona ao Ambalata­voahangy ary dimy taona tsy mahazo manitsaka faritra fiaviany io voampanga io.

Sajo

Partager sur: