Judo-“Open d’Afrique Abidjan”: Nandrombaka medaly volafotsy i Zo

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fifaninanana “Open d’Afrique Abidjan”, ta­ranja Judo. Nanana solontena tamin’izany i Madagasikara ary tsy nitsanga-menatra. Andriambololona Zo Hajanirina, izay nifaninana teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 78 kg, no niaro ny voninahi-pirenena ka nandrombaka ny medaly volafotsy. Vao tany am-panombohan’ny fifaninanana dia efa namiratra i Zo satria nahazo ny fandresena tamin’ny alalan’ny Ippon, nanoloana ilay teratany alzerianina, nifanandrina taminy. Mpikatroka ivoarianina, tompon-tanàna indray, no nifanehatra taminy tamin’ny famaranana. Nanohitra ary nampiseho teknika avo lenta i Zo ary niady hatramin’ny farany, saingy resy teo amin’ity famaranana ity ka tafapetraka ho laharana faharoa sy nisalotra ny medaly volafotsy. Tsara fanomanana i Zo Hajanirina, teo anivon’ny klioba misy azy. Teo ihany koa ny ezaka goavana nataony tamin’ny fanazaran-tena ka anton’izao fahombiazany izao.

Mi.Raz

Partager sur: