Rugby – “XXL Top 12”: Tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa ny USA

Nitohy ny alahady teo, te­ny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahadimy iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin-dry (Cosfa) Bebao­ty indray ry zareo USA (Anka­dy). Niondrika tamin’ny isa tery, 16 no ho 14.
Niady hatramin’ny “gong” fa­rany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa 7 no ho 0 ny Cosfa, rehefa nahatonga baolina nentin-tanana sy na­ha­tsara izany. Nanenjika mi­andalana ny Ankady, taorian’io ka nahatsara “hors jeu” indroa ka nihena ho 7 no ho 6 ny isa. Nifamaliana ny fanafihana avy eo. Nitarika izany i Gervais sy i Dj ho an’ny Be­baoty raha i Mattfield ho an’Ankady. Naha­faty “hors jeu” indray ny Cosfa ka lasa 10 ny isany. Nanova ny endri-da­laon’Ankady ny fidiran-dRahe­ry. Porofon’izany, nialoha ny “gong”, hialana sasatra, na­ha­tsindry baolina izy ireo saingy tsy voatsaran-dRahery. Nisa­rahan’ny roa tonta ny isa 11 no ho 10, tao anatin’ny 40 mn voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, samy niezaka nanafika ny roa tonta, samy nahafaty “hors jeu” ny ekipa roa ka roa ho an’ny Cosfa ary iray ho an’Anka­dy. Tany amin’ny “gong” farany, na­­hazo fanafihana ny USA saingy votsotra teo am-pototry ny tsipika hanindriana azy ny baolina. Teo amin’ireo vokatra hafa, lavon’ny Tam Anosibe, ta­­min’ny isa 28 no ho 26, ny TFA Anatihazo ary resin’ny Mang’Arts, 25 no ho 22 ny 3FB

Tompondaka

Partager sur: