SOMBIM-BAOVAO

Araka ny filazan’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tetsy Isoraka, hatomboka ny 21 desambra ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League » (PFL). Marihina fa tsy mbola fantatra izay ho mpifanandrina amin’izany eo amin’io kianja io.

Nilatsaka eo amin’ny laharana faharoa, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra « La Liga », ny Real Madrid FC, rehefa nanao ady sahala tamin’ny Girona FC, afakomaly. Mihazona ny lohany indray izao ny ekipan’ny FC Barcelone, izay mpifanandrina akaiky indrindra amin’ny Real Madrid.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Paul Minault Androhibe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja échecs, sokajy Jeunes. Anisan’ny nisongadina i Aina Tsinjoviniavo sy i Nico izay voahosotra ho tompondakan’ny U14 sy tompondaka lefitra U11, sokajy vehivavy.

Partager sur: