Nosamborin’ny zandary tao Ambatomanoina, distrikan’ Anjozorobe, ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny tranga fanolanana, afakomaly. Ankizivavy vao 14 taona monja nitaraina tamin’ny fianakaviana manodidina. Nanafina tamin’ny reniny io zaza io noho ny tahotra an’ilay raikely. Nitoroka tampoka teny anivon’ny zandarimaria anefa ny mpiray vodirindrina amin’io fianakaviana nitrangana fihetsika mamoafady io, nitatitra ny zava-nisy niainan’ilay zaza tsy ampy taona. Nalaina am-bavany, araka izany, ilay ankizivavy lasibatra. Nitantara ny zavatra niainana ity farany. Roa volana lasa no niharan’ny fanolanana nataon’ilay raikeliny izy. Efa naneho fihetsika tsy voahevitra matetika tamin’ io zaza io, toy ny fikitikitihana azy koa, io lehilahy io. Nanararaotra ny fotoana tsy naha tao an-tokantrano an’ilay renim-pianakaviana ny vadiny. Ity farany sy ny zanaka vavin’ilay ramatoa irery no niambina ny trano. Voalaza fa nanamparan-dralehilahy ny filan-dratsiny ilay ankizivavy. Nosamborina avy hatrany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Miroso amin’ny fanadihadiana azy ny zandarimaria. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Nentina eny anivon’ny mpitsabo natao fizahana kosa ilay ankizivavy voalaza ho niharan’ny fanolanana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Tsiferana R.




