Fiara nifaoka olona anaty fiampitana : Olon-dehibe roa maty, ankizy dimy naratra

Volana anisan’ny itrangana lozam-pifamoivoizana maro ny desambra. Tao anatin’ny 24 ora, lehilahy iray maty, ankizy dimy naratra. Tompon’antoka ny fiara nipoitra tampoka, nifaoka mpandeha an-tongotra anaty fiampitana.

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana tra-doza teo Ankoron­drano, omaly alina.
Tompon’antoka tamin’izany ny fiara marika Starex iray ni­poitra tampoka ka nifaoka mpan­deha an-togotra tanaty fiampitana voatokana. Tsy ta­faja­nona ilay fiara, nifatratra tany amin’ilay lasibatra, raim-pianakaviana 38 taona. Mari­hina fa avy namangy ny ha­vany, tsy lavitry ny nisehoan’ny loza izy mialoha ny voina.
“Nikasa hody eny Andra­nomena izy no niharan-doza ka namoy ny ainy izao”, hoy ny fanazavan’ny havany. Man­dray andraikitra amin’ny fikarakarana ny razana ny tompon’ny fiara, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, raha ny nambaran’ny fianakavian’ny maty. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza, nanao ny fanadihadiana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. Naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampe­fi­loha kosa ny avy amin’ny BMH.

Mpamily mamo
Vaovao nampivarahon­tsana teto an-drenivohitra koa no niseho, afakomaly, teny amin’­ny lalan’ny Tsarasaotra, Soa­vima­soandro. Tao anatin’ ny faritra fiampitana ihany koa ny andiana mpianatra no voafaokan’ny fiara. Naratra sy tsy maintsy naiditra hopitaly ha­tra­min’ny omaly ny dimy. Raha ny angom-baovao teny an-toe­rana sy ny fanazavan’ny polisy nanao fizahana dia noho ny fitohanana no nitarika ny loza. Nisy fiara tsy mataho-dalana iray, nijanona nana­kona ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Niampita tsy nisy ahiahy ny ankizy no nisy fiara iray nirimorimo avy any Ala­robia hihazo an’i Ma­mamba.

Raha ny vaovao avy amin’ ny polisim-pirenena ha­tra­ny, hita ho mamo ilay mpamily. Nahatratra hatramin’ny 138­ mg/­ml ny tahan’ny alikaola tao amin’ny vatany.
Renim-pianakaviana
Ankoatra azy eni-mianaka tra-doza, mbola nisy vehivavy iray ihany koa nofaohan’ny moto tsy lavitra teo, afakomaly maraina. Voalaza fa nandeha mafy ilay moto nandona azy izay nandeha am-pilaminana. Mafy ny fifandonana, nanidina ambony, nitontona mafy ta­min’ny tany ilay lasibatra ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana ihany koa.

Mino

Partager sur: