Niakatra fitsarana, tetsy anivon’ny ady heloka bevava Anosy, efitrano fahadimy, ny raharaha famonoana raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo vola vahiny, tetsy Analakely, ny volana janoary 2025. Nahatratra 21 ireo olona voarohirohy tamin’io raharaha io. Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty. Lehilahy iray hafa voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina. Izay tsy tonga niatrika ny fitsarana. Antony hanenjehin’ny fitsarana azy ireo ny maha tompon’antoka tamin’iny vono olona niniana natao iny. Eo koa ny maha mpikambana anaty fikambanan-jiolahy ary ny fampiasan’izy ireo fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana. Nahafapo ireo fianakaviana nanana ny maty ny didy navoakan’ny fitsarana.
Tsiahivina fa notafihin’ny jiolahy fito tsy misaron-tava, tetsy Analakely, io mpanakalo vola vahiny io, ny 31 janoary 2025, tamin’ny 9 ora maraina. Efa nadoboka vonjimaika teny Tsiafahy, ny 14 mey 2025, ny iray tamin’ireo mpiray tsikombakomba. Izay tratra teny Andoharanofotsy, ny 10 mey 2025 lasa teo. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10, ary karapanondrom-pirenena hosoka fampiasany tao an-
tranony nandritra ny fisavana azy.
Maty voatifitry ny Sag nandritra ny fifanjevoana tetsy Andohatapenaka kosa ny tena tompon’antoka tamin’io asa ratsy io.
Mino




