Efa ao anatin’ny fanomanana tsara ilay fifanintsanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja baolina kitra, ny Barea zandriny, lehilahy sy vehivavy. Tonga nijery ny fanazarantena izay nataon’izy ireo, tetsy Mahamasina, ny talata teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred. Tsiahivina fa ity hetsika ity izay hatao any Maurice, ny 15 hatramin’ny 19 desambra ho avy izao.
Kely sisa dia hifarana indray ny taona 2025. Maro ny federasionina izay ahitana karazana taranja maro eto Madagasikara. Misy amin’ireo mpitantana ny taranja sasany eto an-tanindrazana nefa tsy dia tazana mikarakara hetsika firy, toy ny fifaninanana nasionaly na fifanintsanana iraisam-pirenena. Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany ny hoe: “ fa inona no olana mahatonga ny federasionina sasany tsy dia mahavita hetsika”?
Nanainga omaly, hihazo an’i Johannesburg, hiatrika ny Word NPC (National Physique Comity), taranja Bodybuilding, ny delegasionina malagasy. Atleta 3, ahitana an’i Tsika Kely, i Regro ary i Nancy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Miara-dalana amin’izy ireo ny Tale teknika nasionaly, i Aba.




