Nanangana ny fikambanan’ny mpilatsaka an-tsitrapo, Bôndy Green Army (BGA), ny orinasa Bôndy, entina hanatanterahana ny asa fambolen-kazony. Mandray anjara amin’ ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo (JIV) izy ireo, anio 5 desambra 2025, hatao etsy amin’ny efitrano malalaka Havoria Anosy. Handray anjara feno amin’ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra, iarahana amin’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK). Hisy koa ny fampirantiana ny asa sy ny zava-bitan’ ny mpilatsaka an-tsitrapo BGA, indrindra ny fambolen-kazo, ny fikojakojana ny zana-kazo, arahina fanentanana samihafa. Mampiranty an-tsary mahakasika ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara ihany koa izy ireo, eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny 2-5 desambra.
Tanora maherin’ny 7 000 nentanina
Nohazavain-dRandrianjatoharimanana Tiana Solomon, tomponandraikitry ny fanetsehana ny olom-pirenena sy ny faritany ao amin’ny Bôndy, sady filohan’ny BGA, fa: “ny fanentanana sy ny fampirisihana ny tanora handray andraikitra amin’ny fambolen-kazo no tena atao”. Mahatratra 200 ny mpikambana, mbola am-perinasa ny 150, ankehitriny. «Tsy ny ho avy ihany no antsika tanora fa ny ankehitriny ihany koa », hoy izy.
Efa maherin’ny 7 000 ny tanora nentanina amin’ny fambolen-kazo, nanomboka ny taona 2021. Mihoatra ny 50 ny fikambanana niarahana niasa. Napetraka koa ny BénéVintsy, miara-miasa amin’ny klioba Vintsy. Nanomboka teto Analamanga ny asa ary hitarina any Toamasina, Mahajanga sy Diana.
Njaka A.




