Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny harembakoka mahakasika ny sarimihetsika sy ny haino vaky jery. Nisy ny fandefasana horonantsary fanadihadiana, niampy valandresaka mahakasika ny fikajiana ireo harembakoka ireo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra matihanina toa an-dry Vero Rabakoliarifetra, Laza, anatole Ramaroson, Lova Randriambololonirina, izay samy mpanatontosa sarimihetsika avokoa. Tsiahivina fa manana mozean’ny haino vaky jery isika, ao amin’ny Havoria Anosy.
Efa mivoaka ireo boky roa ho an’ny ankizy sy tanora. Mirakitra ny tantaram-piainan’ireo Malagasy mpanoratra sy poeta nanana ny lazany, toa an’i Jean Joseph Rabearivelo sy Jacques Rabemananjara. Navoakan’ny Collection Vakoka izy ireo, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Edisiona Teny sy ny Fonds Yavarhoussen. Nanoratra ny boky i Dominique Ranaivoson sy Florence Dimani. Nandravaka tamin’ny sary mba hahamora ny fandraisan’ny ankizy sy ny tanora azy kosa i Dwa sy i Sese Dille. Nanao ny dikan-teny i Hobiana.
Zandry Gasy etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Anio amin’ny 8 ora alina ilay fotoana hizarana ny “Ba gasy mazia romotra”, izay hamaranana ny fiarahana
amin’ity taona ity ho an’ny tarika. Halahatra avokoa, araka izany, ireo hira nanamarika azy ireo tao anatin’ny 15 taona nisiany, indrindra ireo noforonin’ny mpikambana. Tsy hadinoana koa anefa ireo “vakoka sy soatoavina”, izay nanoritra ny lalan-dry Hoby Saka sy ny tariny, nahatongavan’ny tarika amin’ny toerana misy azy izao.
Hisy ny fizarana hataon’ireo mpitendry matihanina, anio amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Sky Garden Betongolo. Hiara-hisalahy amin’izany ry Teddy Solo, Zaöto, Fefy, Hervé ary Ny Antra. Samy mpitendry gitara manana ny lazany, fa samy manana ny fahaiza-manaony manokana ry zalahy ireto. Ao ny havanana amin’ny gitara amin’ny fomba fitendry rehetra sy ny karazany avy. I Zaöto kosa fantatra amin’ny fiangaliany ny amponga maroanaka ary i Hervé mpilalao ny vata maroafitsoka.




