Dinika fiomanana. Nanantotosa fihaonana sy dinika savaranonando, tetsy Mangarano, Toamasina, ny «Association des originaires de la province de Toamasina – Adopt». Nifanakalo hevitra sy nanangona hevitra tombanana hitondra lalàna sy rafitra vaovao atolotra amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo tamin’izany. Hametrahana lalantsaina hifampitondrana eto amin’ny firenena izany ka hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana. Nambaran’ny filohan’ny Adopt, ny Dr Mora Edvin, sady filohan’ny sendikan’ny mpivarotra fanafody eto Madagasikara, fa mizotra mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena isika izao. «Nanapaka ny biraon’ny fikambanana fa handray anjara feno amin’ny fiomanana hiatrehana izany», hoy izy. Hakana ny hevitra any anivon’ireo distrika mandrafitra ny faritanin’i Toamasina, araka ny nambarany hatrany. Handray anjara koa ireo zandry mandrafitra ny Gen Z sy ny Antafa. Ilaina ny hevitry ny tanora, mafonja kokoa. Koa nanomana fanontaniana vitsivitsy ho fiaingana amin’izany fakan-kevitra izany ny Adopt, araka ny nambarany. «Tsy hijanona eo ny fakan-kevitra fa hotohizana amin’ny alalan’ny fidinana ifotony eny anivon’ny disitrika tsirairay avy. Haravona eto an-toerana ny fehin-kevitra rehetra ary hatolotra ny fikaonandoham-pirenena», hoy ny filohan’ny Adopt.
Sajo sy Synèse R.




