Ho tohizana ny asa fanamboarana ny arabe migodana, hatreo amin’ny PK 80. Ezahina tsy hisy intsony ny tanimbary hokitihina sy hototofana. Hitohy ny fandoavana ny onitra ho an’ireo mponina voakasiky ny fanamboarana. Nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, toromarika koa ny orinasa Samcrete hifampidinika hatrany amin’ny teknisianin’ny minisitera amin’ny fanatanterahana ny asa.
Tsy ao anatin’ny ara-dalàna ny 90% ny mpitrandraka madinika amin’ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny hampidirana azy ireny anaty rafitra handrindrana ity sehatra ity. Hojerena koa ny lafiny fampiofanana, hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitrandraka. Anisan’ny nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ireo tanora X Y Z, tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, tamin’ity herinandro ity.
Mahatratra 130 000 euros ny famatsiam-bolan’ ny Vondrona eoropeanina (UE) ho an’ny tetikasa miompana amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Anisan’izany ny tetikasa Afafi Afovoantany, Avaratra, Atsimo ary ny FDA. Nangatahin’ny UE ny hamaritan’ny minisitera Minae izay sehatra tena mila tohanana vaovao, ny hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra, indrindra mifanaraka amin’ny fenitra eoropeanina.




