Afripower : Herinaratra 40 MW avy amin’ny masoandro

Anisan’ny mamatsy herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), an’ny Jirama, ny orinasa Afri­po­wer, ao anatin’ny vondrona Filatex. Hanomboka ny fananganana ny fotodrafitrasa foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Moramanga. Hamokatra 40 MW ity foibe ity, raha toa ka 5 MW ny vokarin’ny foibe mandeha solika (HFO) ao an-toerana, ankehitriny. Ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2026 ny ampahany voalohany amin’ny asa, hamokatra 15 MW.
Hihena be ny fandanian’ny Jirama raha vao mihodina ity foibe ity. Ahazoana tahirim-bola 1 miliara Ar ny vokatra herinaratra 1 MW ampidirina anaty tambajotra ho famatsiana herinaratra.
Anisan’ny lehibe indrindra amin’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro ity hatsangana ao Moramanga ity.

Angovo azo havaozina
Nilaza ny tale jeneralin’ny Afripower, Ramarondray Ta­hina, fa taratry ny paikady mahomby apetraky ny Afripo­wer ny ao Moramanga. Izany hoe, mamokatra herinaratra betsaka amina fotodrafitrasa maoderina amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina. “Mpi­ara-miombon’antoka akaiky amin’ny fanjakana sy ny Jirama izahay, hanamafisana ny fisitrahan’ny Malagasy herinaratra”, hoy izy. Mora vidy rahateo ny herinaratra vokariny.

Njaka A.

Partager sur: