Orange Madagascar : Tafapetraka ny Fibre optique Tana-Mahajanga

Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fahavitan’ny tambajotra « Fibre optique » Tana-Mahajanga, izay mirefy 558 km. Fotodrafitrasa vaovao natao hanamafy ny tambajotram-pifandraisana, hiantohana ary hanomezana tolotra tsy ankiato ny mpanjifa an-tapitrisa izany.
Naharitra valo volana ny asa ka miisa 2 500 ireo olona niara-nisalahy taorian’ny fanadihadiana natao rehetra. « Mamaritra sahady ny tolotra vavao homena ny mpanjifa, manamafy ny fahavononanay hanorina rafitra niomerika tsara sy matanjaka indrindra amin’izao fanovana eto amin’ny firenena izao ity fotodrafitrasa goavana ity », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang.
« Finiavana hanangana tontolo niomerika mitondra vokatsoa tsara sy maharitra ho an’ny fiarahamonina no ambadiky ny fotodrafitrasa goavana », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Araka izany, hanamafy ny fifandraisana sy hampiroborobo ny niomerika manerana ny Nosy ary ho fototra hanohanana sy hampivoarana ny toekarena eto Madagasikara ny « Fibre optique » apetraka.

Henintsoa

Partager sur: