TARATRY ny KANTO

Nanoro lalana ireo mpanoratra ny Opération Bokiko. Anisan’ny nozarain’ny filohan’ny fikambanana, Holy Danielle, io nandritra ny fihaonana ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mazava ny andraikitry ny fikambanana dia ny fandrisihana sy ny tolo-tanana ho an’ireo mpanoratra andaniny, ary ny fanentanana ireo mpamaky, ankilany. Nizarazara ny tokony ho fantatra mahakasika ny rohin’ny boky ity mpanoratra sady mpanao gazety ity, nandritra izany. Nampahatsiahy ny toerana sy ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay ihany koa anatin’izay rohy izay, hanatrarana ny tanjona.

Hiverina hanomboka anio ny fandaharana “Torak’Hehy”. Nampisongadina ny tarika Fou Hehy izy ity, nanomboka ny taona 2002, izay niato tamin’ny taona 2018. Niara-nisalahy, isan’andro, tamin’ity fandaharana tao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM ity ry Honorah, Eric ary Rafilomena. Ito farany efa nodimandry, saingy hamerina ny fandaharana anisan’ny be mpanaraka nanerana ny Nosy indray ireo namany.

Nomena ny mari-boninahitry ny kanto Ranoelson Ampahimanga. Anisan’ ny nisongadina indrindra, nandritra ny ady hiragasy teny amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, omaly, io. Nahazo ny “Comman­deur” amin’ity laharam-boninahitra ity izy, noho ny zava-bitany nandritra izay taona maro nanandratany ny hiragasy izay. Olona tsy vaovao amin’ny tontolo, satria sady nandova ny kanto no nilofo tao anatin’izany ihany koa. Efa mpandihy tao amin’ny Voni­navoko, tarik’i Dadagaby. Nialoha izay, niofana tao amin’ny sahondrafinina Zanany, ny tarika Rossy ary ny tarika Disaraga.

Partager sur: